Personal tools

FPMA Synaoda tsy ara-potoana 2009

  • Noho ny fahasoavan'Andriamanitra dia vita soa tamin'ny 11 Nov teo ny synoda lehibe tsy ara-potoana, koa indro ny anaran'ireo mpanompon'Andriamanitra voafidy hiasa mandritra ny eritaona (hatramin'ny synoda lehibe ara-potoana Nov 2010): 
  • Birao Foibe vaovao
    • Pastera Synodaly Jean RAVALITERA Filohan'ny FPMA
    • Pastera Solo ANDRIANOMENJANAHARY Filoha Mpanampy FPMA
    • Atoa Jean-Solo RAFIDINARIVO Filoha Mpanampy FPMA
    • Atoa Rado RAMAROTAFIKA Tonia
    • Atoa Herintsoa RASIDIMANANA Mpitahiry Vola
    • Atoa Hery RANDRIAMBOLOLONA Mpitantana Vola
    • Pastera Seth RASOLONDRAIBE Mpanolo-tsaina 
  • Mpandini-bola vaovao (tsy niova)
    • Atoa Solo RABARIMANANA
    • Atoa Andry ANDRIANAVELASOA
  • Ampatsiahivina fa araka ny fomba fiasa, ny Birao Foibe amperinasa dia miasa hatramin'ny 31 des 2009, koa Jan 2010 no mandray andraikitra ny Birao Foibe vaovao. Toy ny mahazatra ihany, dia hisy fanompoampivavahana lehibe amin'ny fiantombohan'ny taona 2010 ho fisaorana ireo Birao Foibe sy mpandinim-bola teo aloha koa handraisan-tanana sy hametrahana ireo Birao Foibe vaovao sy mpandini-bola voafidy.
  • Ny Tompo no miantso, ny mpanompony no manaiky ny antso ary isika rehetra kosa no ataon'ny Tompo ho mpiara-miasa koa dia aoka samy hitondra am-bavaka ny asan'Andriamanitra.
  • Voninahitra ho an'Andriamanitra!
    Jean-Solo RAFIDINARIVO
    Filoha Mpanampy FPMA

 

Document Actions