samedi, 22 juillet 2017



Radio Vatsy FPMA

"Mitady ny mahasoa ny maro..."

1 Korintiana 10.33

 

Noho ny fitahian’Andriamanitra dia feno 10 taona ny Radio Vatsy FPMA: Fahasoavana lehibe tokoaizany. Andriamanitra no ankalazaina sy omem-boninahitra amin’ny fiarahantsika mientana ho fanamarihana izao Tsingerintaona fahafolo izao. Efa nisy fampahafantarana natao taminareo mahakasika izany.

 

Hisy fifaninanana “logo” n’ny faha-10 taonan’ny Radio Vatsy FPMA.

 

Ireto ny fepetran’ny fifaninanana :

 

1.    Afaka mandray anjara mifaninana amin’ny fanaovana ny “logo” faha-10 taonan’ny Radio Vatsy ny mpiangona rehetra ao amin’ny FPMA.

 

2. Ny endriky ny “logo” faha-10 taonan’ny Radio Vatsy dia mampiseho mazava ireto voafaritra ireto:

a) Teny faneva : "Mitady ny mahasoa ny maro…" 1 Kor 10. 33

b) Anarana : Radio Vatsy FPMA

c) Daty Tsingerintaona: 2007- 2017

d) Miisa 2 ka hatramin’ny 4 ny loko

e) Mitsangana ao anatin’ny endrika efajoro na boribory ny “logo”

 

3. Tsy asiana ny “logo” FPMA

 

4. Ny “logo” avy amin’ny mpifaninana dia endrika “ numerisé” (JPG, PDF)

 

5. Mijanona ho fananan’ny Radio Vatsy FPMA ny “logo” rehetra ary azony ampiasaina

amin’izay ilainy azy.

 

6. Daty fetra farany handraisana ny “logo” : 10/06/2017 alohan’ny 12 ora alina

 

7. Alefa amin’ny adiresy mailaka: Cette adresse e-mail est protégée contre les robots spammeurs. Vous devez activer le JavaScript pour la visualiser.

Amin’ny anaran’ny Sampan-draharaha Vatsy

 

Sylvie RAMANANJO

Theodore RANDRIAMANANTENA Mpitandrina

accueil

6 regions

  bible 6 ans

 bible 1 an

 

           
           
                  map clichy             

 

Eglise Protestante Malgache en France - Fiangonana Protestanta Malagasy Aty Andafy
Siège National: Maison du Protestantisme

47, rue de Clichy 75009 Paris

 

                      enveloppe contact   
      © Copyright 2012. Tous droits resérvés