lundi, 22 janvier 2018

 

 

Ampifaliana no hanasana antsika rehetra hanatrika ny Fihaonambe RNT (Rencontre Nationale des Tily) izay atao ny 

21 – 22  aprily 2018

ao amin’ny

Saint-Joseph d’Allex –  Montée de la Butte  

26400 ALLEX.

Ny lohahevitra dia nindramina tao amin’ny I Tesaloniana 5.5b manao hoe : 

                                   

                                   "Miezaha mandrakariva hitady izay tsara”

Indro ampitaina amintsika ny andinindininy momba ny RNT (Rencontre Nationale Tily) :

Saran-dasy : 35 € ho an’ny rehetra ary 15 € ho an’ny mpiandraikitra am-perin’asa . 

Fara-fisoratana anarana : hatambatra isam-pivondronana ka  alefa mail Cette adresse e-mail est protégée contre les robots spammeurs. Vous devez activer le JavaScript pour la visualiser. alohan’ny atalata 28 febroary 2018 ary alefa paositra ny seky atsasan’ny saran-dasy, ny ambiny  kosa dia alefa seky alohan’ny 31 martsa 2017. 

Ny seky dia atao amin’ny anaran’ny FPMA  ary alefa any amin’ny Mpitahiry volan’ny sampana Tily  Mr ROBISON 2 rue Corot  93200 Saint-Denis.

Ho an’ireo izay tsy miankina amin’ny fivondronana kosa dia afaka mandefa izany mivantana.

Momba ny Fifaninana LOGO :

-       Ny beazina no mandray anjara,  19 taona ny lehibe indrindra ( teraka 1999)

-       Ny logo dia atao amin'ny taratasy A4 sy / na "en support informatique" tsy misy ny anaran'ny mpandray anjara ary hidiana ao anaty valopy misy soratra hoe "LOGO"

-       Ny mpifaninana dia manambara fa izy marina no mpamorina ary tompon'ny Logo alefany. 

-       Ao anaty valopy iray lehibe dia misy valopy 2 mihidy 

Ny 1 misy ny logo (tsy misy anarana na soratra hafa) 

Ny faha 2 misy soratra hoe MPANDRAY ANJARA ,  ary ao anatiny misy ny tapakila milaza ny anaran’ny mpandray anjara (hitantsika etsy ambany) 

ary alefa paositra amin' ny RAVELOJAONA Kajy 389 rue Paradis 13008 MARSEILLE alohan’ny 31 janoary 2018.

-       Ny logo rehetra voaray dia tsy maintsy ho jerena araka ireto fepetra ireto : 

a)    Ny fanehoana ny Teny Faneva araka ny I Tesaloniana 5.5b "Miezaha mandrakariva hitady izay tsara”

b)    Ny endrika maha sary ilay logo (représentation graphique). 

c)    Ny fahamorana ny fampiasana ilay logo, 70x70mm raha lehibe indrindra ary azo avadika loko mainty sy fotsy, azo alehibiazina na ankelezina, misy loko 3 fara-fahabetsany(Le logo sera de dimension 70 x 70 mm maximum, en couleurs. Sa reproduction en Noir et Blanc doit être aisée, maximum 3 couleurs. Le logo doit être fonctionnel et être utilisable dans différents contextes tout en conservant son intégrité, pouvoir être réduit en grand ou en petit). 

d)    Misy ny soratra “RNT 2018”

accueil

carte faritany3

  couv pericope 2018

 bible 1 an

 

           
           
                  map clichy             

 

Eglise Protestante Malgache en France - Fiangonana Protestanta Malagasy Aty Andafy
Siège National: Maison du Protestantisme

47, rue de Clichy 75009 Paris

 

                      newsletter   
      © Copyright 2012. Tous droits resérvés