Outils personnels

FPMA BF : Hafatra Pastoraly Noely 2009 sy Taom-baovao 2010

PRÉSIDENT SYNODAL

PRÉSIDENT DE LA FPMA

Président : Rev. Dr Jean A. RAVALITERA


Ho an'ny Mpitandrina rehetra mpiara-miasa,

Ny Filoha sy ny Komitin'ny Faritany FPMA 6,

Ny Filoha sy ny Komitin'ny Tafo FPMA 37,

ary ny vahoaka Kristiana rehetra.

 

JR/BF/-42/2009

Antony : Hafatra Pastoraly Noely 2009 sy Taombaovao 2010

 

Ry rahalahy sy anabavy malala ao amin'ny Tompo,

 

Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina!

 

«Satria misy zaza teraka ho antsika, zazalahy no omena antsika; eny an-tsorony ny mari-piandrianany, ary ny anaram-piandrianany dia hatao hoe : Mpitondra mahay, Andriamanitra mahery, Ray mandrakizay, Andriana mitondra fiadananaIsaià 9, 5 - Dikanteny iombonana amin'ny Baiboly malagasy -DIEM- Averimberina isaky ny Noely izany hafatr'Andriamanitra nampitain'Isaià mpaminany izany, ary antsoin'ny maro ny Noely hoe «Fetin'ny zaza». Ny fisian'ny zaza dia mampitodika hibanjina ny ho avy, ary mampahatsiaro fanantenana sy fitiavana.

«Ho olon-dehibe isika, mahatratra ny halehiben'i Kristy sy heniky ny hafenoina omeny» Efesianina 4, 13 -DIEM- , hoy ny Teny fanevan'ny Jobily faha-50 taona vao avy nankalazaintsika tamin'ity taona ity. Raha sainina maimaika dia toa mifanohitra ny maha zaza sy maha olondehibe, kanefa ny toetra tsara avy amin'izy ireo no tokony hotahafina eo amin'ny fiainana kristiana. Ny fahatsorana sy ny fiankinana amin'ny Rainy aman-dreniny eo amin'ny zaza dia sary omen'ny Tompo ny tokony ho fiainantsika amin'ny finoana, fa «Lazaiko marina aminareo fa na iza na iza tsy mandray ny Fanjakàn'Andriamanitra tahaka ny fandraisan'ny ankizy madinika azy, dia tsy ho tafiditra ao», hoy ny Tompo ao amin'ny Marka 10; 15 -DIEM-; fa mampieritreritra ny mino kosa ny apostoly Paoly, ka hoy izy hoe «Ry havako, aoka tsy ho zaza ianareo amin'ny fisainana; eny, raha momba ny ratsy dia aoka ho zaza ianareo, fa raha amin'ny fisainana dia aoka ho olondehibe.» I Korintianina 14, 20 -DIEM-

Heveriko fa hoantsika rehetra izany, hafatra lehibe amin'izao Noely 2009 izao.

Ento amim-bavaka sahady ireo fotoana samihafa atrehintsika amin'ny taona 2010 :

  • Eo amin'ny fifandraisantsika amin'ny ivelany dia Fihaonamben'ny FLM/LWF sy ny ARM/WARC, samy hatao amin'ny taona ho avy 2010 io.

  • Ato an-tokantranontsika FPMA dia eo ny Synoda Lehibe ara-potoana, ny Fihaonamben'ny Sampana Iraisana maromaro (AMF, SVK, Skotisma, Fifohazana, Zavamaneno), sy ireo Fiofanana isan-tokony (SAP, Projet Laïc, Sekoly Alahady, FMM, Filoha sy Mpitahiry vola), samy hatao amin'ny taona ho avy avokoa.

 

Mirary Noely sambatra 2009 hoanareo rehetra, ary miandrandra sahady ny taona vaovao 2010 izay antenaintsika hahatsapana misongadina indray ny asan'Andriamanitra eo anivon'ny Fiangonantsika izahay.

«Isika kosa tsy mba naman'izay mihemotra ka ho very fa naman'izay mino ka ho voavonjy.» Hebreo 10, 39

Mamangy sy manao veloma anareo amin'ny anaran'Ilay tia antsika!

 

Ny Filoha Synodaly- Filohan'ny FPMA,

Rev. Dr Jean ANDRIAMAROHASINA RAVALITERA

Actions sur le document