FPMA BF : Hafatra Pastoraly Pentekosta 2011
HAFATRA PASTORALY PENTEKOSTRA 2011
Ry Havana malala,
Ho aminareo anie ny Fahasoavana sy ny Fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina !
«Fa raha tonga ny Fanahin’ny Fahamarinana, dia Izy no hitari-dalana anareo ho amin’ny marina rehetra; fa tsy hiteny ho Azy Izy, fa izay ho reny dia holazainy avokoa; ary ny zavatra ho avy aza dia hambarany aminareo. Izy hankalaza Ahy; fa handray avy amin’ny Ahy Izy ka hanambara izany aminareo.»(Jaona 16, 13-14)
Miavaka ity taona 2011 ity, noho ireo Sampana Iraisana efa nahavita (Sampana Tily) ary maro no hanao ny Fihaonambeny ato ho ato (Sekoly Alahady, STK, Zava-maneno, Fifohazana), ary ny Zaikabem-paritany samy hafa efa natao sy eo am-piomanana, sy ny Zaikabe nasionaly hiombonantsika rehetra amin’ny volana novambra ho avy izao. Na toa tsaroana ho navesatra ara-enti-manana ho an’ny tafo aza ireo fivoriana mifanesisesy, dia mampiseho fa velona ny Fiangonantsika.
Arahabaina manokana koa ireo Tafo ato amintsika efa tapa-kevitra ka niroso hanana Mpitandrina matihanina nanomboka tamin’ity taona ity.
Mampiomana sy mangataka antsika rehetra hitondra amam-bavaka ny Fihaonamben'ny Protestanta frantsay rehetra («Protestants en fête») hatao eto Paris amin'ny volana Novambra, taona 2013, ka manana anjara feno amin’ny fanomanana izany isika FPMA, ary misy fandraisana anjara takiana amin’ny Tafo Protestanta rehetra manerana an’i Frantsa ho amin’ny enti-manana. Mbola holazainay aminareo any aoriana ny andro sy ny toerana hanaovana izany, fa eo am-pandaminana izany ny Komity miandraikitra ny fanomanana ao amin’ny FPF izay ananantsika FPMA solontena ao anatiny.
Mamporisika antsika rehetra any amin’ny Tafo 38 sy ny Fiaraha-mivavaka FPMA mba samy hanatanteraka ny Alahady ho an’ny FMM sy ny Alahadin’ny Baiboly.
Mbola marina sy mihatra amintsika mandrakariva ny toky sy fampanantenana lazain’ny Tompontsika Jesoa Kristy Lohan’ny Fiangonana, ao amin’ny Asan’ny Apostoly 1, 8, manao hoe : « Fa hahazo hery ianareo amin’ny hilatsahan’ny Fanahy Masina aminareo, ka ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’i Jodia sy Samaria ary hatramin’ny faran’ny tany.».
Mirary Pentekosta finaritra eo ambany fahasoavan’Andriamanitra ho anareo rehetra izahay, ary mitsodrano anareo amin’ny anaran’Ilay Tia antsika sady Lohan’ny Fiangonantsika :
« Ilay Andriamanitra loharanon’ny fanantenana anie hameno fifaliana sy fiadanana tanteraka anareo noho ny finoanareo, mba hampitomboana be dia be ao aminareo ny fanantenana noho ny herin’ny Fanahy Masina! »(Efesiana 15, 13)
Paris, andro Pentekostra : Alahady 01 Jona 2011
Ny Mpitandrina Synodaly, Filohan’ny FPMA
