FPMA BF : Hafatra Pastoraly Noely 2011
Hafatra Pastoraly Noely 2011
Ho an’ny Mpitandrina Mpandrindra
Ny Filoha sy ny Komitin’ny Faritany 6
Ny Filoha sy ny Komitin’ny Tafo 38
Ny Filoha sy ny Fiaraha-mivavaka ho FPMA 2
ary ny vahoaka Kristiana rehetra ato amin’ny FPMA
Ry havana malala ao amin’ny Tompo,
Ho aminareo rehetra anie ny Fahasoavana sy ny Fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina !
«Efa imbetsaka ary tamin'ny fomba samihafa no nitenenan'Andriamanitra fahiny tamin'ny razantsika tamin'ny alalan'ireo mpaminany; fa amin'izao andro farany izao kosa dia tamin'ny alalan'ny Zanany no nitenenany tamintsika. Io Zanany io no naharian'Andriamanitra izao tontolo izao, ary notendreny koa ho mpandova ny zavatra rehetra» Hebreo 1, 1-2
- Mila fandinihantena mandrakariva isika mba hiasa handrosoan’ny Fiangonantsika.
Fahasoavana ho antsika ny fahafahan’ny Mpitandrina sy ny laika miara-miasa eo anivon’ny Fiangonantsika, ka tokony ho zava-dehibe hatrany noho izany ny fiainam-bavaka mba tsy hahatonga fakam-panahy, araka izay nampitandreman’ny teolojiana tanora iray, hoe :« «Il ne faut pas se tromper de priorité et confondre l’Église avec une sorte de libre-service destiné à satisfaire les besoins spirituels des consommateurs attirés par une vitrine plus alléchante que celle d’à côté» . Hoy Luther hoe : « Tsy manana vatana roa Kristy, iray laïka ary iray mpitondra fiangonana. Izy no loha ary vatana iray ihany Izy (Le Christ n’a pas deux corps, l’un laïc, l’autre ecclésiatique. Il est une tête et il a un corps)». Hoy ihany izy hoe : «Mpisorona daholo isika rehetra, izany hoe mitovy ny fahefana ananantsika manoloana ny Tenin’Andriamanitra sy ny sakramenta, na dia tsy misy olona na mihitsy aza mahazo mampihatra mihitsy izany fahefana izany raha tsy nahazo alalana tamin’ny fiangonana (nous sommes tous prêtres, c’est-à-dire que nous avons le même pouvoir à l’égard de la Parole et de tout sacrement, bien qu’il ne soit permis à personne d’user de ce pouvoir sans le consentement de la communauté)». Samy hampamoahan’Andriamanitra isika any aoriana.
- Mila fifampifehezana sy fifanajana isika samy isika eo amin’ny fiaraha-miasa. Aoka hilaozantsika lavitra ny fahazarana mitaky ary mangataka fotsiny ary mifampitsikera, fa tokony samy hihevitra avokoa isika izay tokony hataontsika tsirairay avy hirosoana ho amin’ny fivoarana bebe kokoa. Mila fanatsarana hatrany hatrany ny serasera (communication), ary tandrovina toy ny anakandriamaso ny fifankatiavana. Aza hamaivanina ny fandraisana anjara amin’ny adidy “tsy maha-olon-dratsy” antsika.
Mirary Noely sambatra 2011 ho anareo ary miandrandra sahady ny taona vaovao 2012 izay antenaintsika hahatsapantsika indray ny asan’Andriamanitra eo anivon’ny Fiangonantsika izahay. « Ianareo kosa, ry hava-malala, ataovy izay handrosoanareo amin'ny finoana masina indrindra efa anananareo, ka mivavaha omban'ny herin'ny Fanahy Masina; mitahiriza tena ao amin'ny fitiavan'Andriamanitra, ka mahandrasa ny famindrampon'i Jesoa Kristy Tompontsika hahazoanareo fiaina-maharitra mandrakizay.» Joda, 20-21
Mamangy sy manao veloma anareo amin’ny anaran’Ilay tia antsika !
Nosoratana teto Paris, Foibe FPMA, 10 desambra 2011
Dr Jean A. RAVALITERA, Mpitandrina
Filohan’ny FPMA
