Personal tools

FPMA BF : Hafatra Pastoraly Pentekosta 2010

HAFATRA PASTORALY PENTEKOSTRA 2010

 

Ho an’ny Mpitandrina sy ny Filohan’ny Faritany FPMA 6

Ho an’ny Mpitandrina sy ny Filohan’ny Tafo 37

Ho an’ny Fiaraha-mivavaka ho FPMA 3

Ho an’ny Vahoakan’Andriamanitra rehetra ato amin’ny FPMA

Ry Havana malala,

 

Ho aminareo anie ny Fahasoavana sy ny Fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina !

«Fa raha tonga ny Fanahin’ny Fahamarinana, dia Izy no hitari-dalana anareo ho amin’ny marina rehetra; fa tsy hiteny ho Azy Izy, fa izay ho reny dia holazainy avokoa; ary ny zavatra ho avy aza dia hambarany aminareo. Izy hankalaza Ahy; fa handray avy amin’ny Ahy Izy ka hanambara izany aminareo.»(Jaona 16, 13-14)

Misaotra an’Andriamanitra isika fa tanteraka soaaman-tsara ireo Fivoriambe nasionaly natao tamin’izao tapa-taona voalohany izao : Ny Fihaonamben’ny Sampana Skotisma tany Lyon, ny Choralie faha-11 sy faha-20 taonan’ny AMF tany Nancy. Na toa tsaroana ho navesatra ara-enti-manana ho an’ny tafo aza ireo fivoriana nifanesisesy, dia mampiseho fa velona ny Fiangonantsika. Arahabaina ireo Sampana iraisana ireo samy nahavita ny Fihaonambeny. Irariana mba hahavita soa aman-tsara ihany koa ireo mbola mikasa hanao ny Fihaonambeny amin’ity taona ity (Sampana Fifohazana ho any Besançon amin’ny volana Jolay, ny Sampana Vehivavy Kristiana ho any Montpellier amin’ny volana Oktobra, ny Lasy lehibe hataon’ny Sampana Tily amin’ny volana Jolay sy Aogostra), ary ny Fihaonana arahim-piofanana hataon’ny Filohan’ny tafo rehetra sy ny Tompon’andraikitra ara-bola rehetra ato amin’ny FPMA, hatao eto Paris amin’ny 5 jona 2010 ho avy izao.

Mampiomana sy mangataka antsika rehetra hitondra amam-bavaka ireo Zaikabem-paritany samihafa, ny Fivoriamben’ny Alliance Réformée Mondiale (ARM/WARC) hatao any GrandRapids any Etazonia amin’ny volana Jona, ny Fihaonamben'ny Fédérétion Luthérienne Mondiale (FLM/LWF) hatao any Stuttgart any Allemagne amin’ny volana Jolay, ny Synoda Lehibe faha-34 antsika FPMA hatao eto amin’nyIle-de-France amin’ny volana Novambra.

Mbola manamafy hatrany ny fanentanana ny Tafo rehetra sy ireo Sampana Iraisana amin’ny fanefana ara-potoana ny Adidy Iombonana aty amin’ny Foibe. Tena mariky ny fiombonana sy firaisana aina ato amintsika FPMA izany

Mbola marina sy mihatra amintsika mandrakariva ny toky sy fampanantenana lazain’ny Tompontsika Jesoa Kristy Lohan’ny Fiangonana, ao amin’ny Asan’ny Apostoly 1, 8, manao hoe : « Fa hahazo hery ianareo amin’ny hilatsahan’ny Fanahy Masina aminareo, ka ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’i Jodia sy Samaria ary hatramin’ny faran’ny tany.».

Mirary Pentekosta finaritra eo ambany fahasoavan’Andriamanitra ho anareo rehetra izahay, ary mitsodrano anareo amin’ny anaran’Ilay Tia antsika sady Lohan’ny Fiangonantsika :

« Ilay Andriamanitra loharanon’ny fanantenana anie hameno fifaliana sy fiadanana tanteraka anareo noho ny finoanareo, mba hampitomboana be dia be ao aminareo ny fanantenana noho ny herin’ny Fanahy Masina! »(Efesiana 15, 13)

 

Paris, andro Pentekostra : Alahady 23 Mey 2010

 

Ny Filoha Synodaly, Filohan’ny FPMA,

Ny Mpitandrina Dr Jean A. RAVALITERA

Document Actions